FANAMBARANA

Izahay izay manao sonia ity fanambarana ity, mpanao gazety miasa sy miara-miasa amina orinasan-gazety sy orinasa mpampahalala vaovao, na avy eto an-toerana na avy any ivelany, dia maneho entoana
- Ny fahadisoam-panatenanay taorian’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana izay nilaza fa mifanaraka amin’ny Lalàm-panorenana ny fehazan-dalàna mifehy ny serasera,
- Ny ahiahinay manoloana ilay lalàna izay heverinay fa manitsakitsaka ny zo sy ny fahalalana fototra maneho hevitra sy mahazo vaovao, ary manohintohina ny asa fanaovan-gazety,
- Ny alahelonay noho ny tsy fihainoana ny antso nataon’ny ankolafin-kery maro mba hamerenana indray ny fifampiresahana handinihana iny lalàna iny. Anisan’ny nanao izany antso izany ohatra ny Hetsika ho amin’ny fahalalana maneho hevitra, ny vondron’ireo orinasa mpamoaka vaovao, ny fikambanana iraisam-pirenena miaro ny fahalalan’ny asa fanaovan-gazety, ny fiarahamonim-pirenena ary ny fianakaviam-be iraisam-pirenena.
Ny Filohan’ny Repoblika dia nilaza, tamin’ny faha-14-n’ny volana jolay lasa teo, fa azo atao ny mifampiresaka mba hamahana ny olana. Indrisy anefa fa toa tsy narahiny asa izany fanambarana nataony izany.
Mbola misy ihany anefa ny azo atao satria tsy mbola tonga any amin’ny dingana farany mampanan-kery azy ilay fehezan-dalàna mifehy ny fifandraisana. Manantena izahay fa manaja ny soatoavina demokratika sy manaiky ny foto-pisainana mifototra amin’ny fahalalana ny tompon’adraikitra eto amin’ny firenena.
Noho izany, izahay mpanao gazety manao sonia ity fanambarana ity dia :
- Miantso ny Filohan’ny Repoblika tsy mbola hanampan-kery ny lalàna mifehy ny fifandraisana, ary hamerina azy eny anivon’ny Parlemanta mba handinihina azy idray, araka ny fahefana omen’ny lalàm-panorenana azy ;
- Manamafy hatrany ny finiavanay sy ny fahavononanay handray anjara amin’ny resaka sy ny adihevitra rehetra ilaina amin’ny famerenana ny fandinihana io lalàna io.
Antananarivo, faha-16 aogositra 2016

Commentaires

Articles les plus consultés