Naongan'ireo solombavambahoaka ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina



Hanao ahoana ny ho tohin’ny raharaham-pirenena. Andrasana izay tena havoakan’ny eny Tsimbazaza aorian’ny androany alina. Inona kosa no azo tsoahina momba ny hoe : tonga hatrany amin’ny motion d’empechement ny raharaham-pirenena ankehitriny, nefa filoham-pirenena voafidim-bahoaka no mitonra sy mitantana ny firenena. Tranga izay nampahatsiahy ny nanjo ny filoham-pirenena Zafy Albert tamin’ny taona 1995 ny zava-nisy teny Tsimbazaza androany. Na inona na inona no ho tohin’ity raharaha ity, voaporofo izao fa mikorontana ny firenena ary tsy mety mari-toerana ny fitondram-panjakana. 







Na inona na inona ambara, sy lazaina. Na toy ny ahoana na ahoana ny herin’ireo izay manohitra ny fitondram-panjakana ankehitriny, voaporofo izao fa tsy manana maro an’isa eny amin’ny antenimeriam-pirenena ny fitondram-panjakana. Voaporofo fa maro an’isa saritsariny  ary tsy mari-toerana no nentina nandray fanapahan-kevitra, nihazonana ny resaka motion de censure sy ny sisa izay efa niainga teny amin’ny antenimieram-pirenena tato anatin’ny herintaona sy tapany nahateo amin’ny fitondrana ny antoko HVM. Depiote 115 no nanao Sonia fa mila alana amin’ny toerany ny filoham-pirenena. Rehefa zohina dia namerina nampitovy feo ireo depiote ary niverina nampitovy hevitra tamin’ny vondorna nipoirany ny ankamaroan’ireo depiote ary na ireo tsy miankina lasa HVM aza maromaro no nanao Sonia ny motion d’empechement. Manaporofo ihany koa izany fa tsy manana fototra mafonja ity fitondram-panjakana ity. Maro ny antony voalazan’ny solombavahoaka androany fa anton’ny Motion d’empechement.  Eo aloha ny fanitsakitsahana ny lalam-panorenana, isan’izany ny famorivoriana olona hanangonana hevitra ho enti-mikitika ny lalam-panorenana  tahaka izay nitranga Ivato. Eo ihany koa ny momba ny fitsabahana amin’ny tsy tokony ho andraikitry ny fahefana mpanatanteraka, ohatra amin’izany ny fikitihina ny bileta tokana tsy hisy sary sy anarana na dia efa misy aza ny lalàna mifehy izany. Ankoatra ireny ny tsy mboa fijoroan’ny haute cour de Justice sy ny rafitra mahaleo tena hisolo ny CENIt, ankoatra ny fanendrena lehiben’ny faritra izay tsy manana fototra ara-dalàna intsony. Raha fintinina dia ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalam-panorenana sy ny famadihana tanindrazana no isan’ny hiampangana ny filoha amin’izany Motion d’Empechement izany.  Mazava izany, fa na inona na inona no ho tohin’ity raharaha ity, na ho tafavoaka eny Tsimbazaza na tsy ho tafavoaka eny amin’ny HCC ity empechement ny filoham-pirenena ity, miharihary ny fahalemen’ny fitondrana ankehitriny noho ny tsy fananana tanjaka sy foto-kevitra ara-politika mazava.   Saika mifahatra any amin’ny fampiadiana vola eny tsimbazaza isaky izay misedra olana sisa no politika lalaovina.  Tsy mahagaga intsony noho izany ny fandrenesana fa misy indray ny resa-bola eny amin’ny Antenimieram-pirenena, tranga izyaniverimberina hatrany tato anatin’ny 1 taona sy tapany.

Commentaires

Articles les plus consultés