Groupe des Experts Nationaux (version Malagasy)

Naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny fikarakarana ny fifidianana kaominaly amin'ny faha-31n'ny volana jolay ho avy izao ny GEN.
Toa izao ny fanambaran'izy ireo androany. 



Groupe des Experts Nationaux (GEN)
Rue Rajakoba Augustin Ankadivato Antananarivo
E-mail : mrcabram@moov.mg
Tél : 22 663 99 Fax : 22 663 59
---------


N/Réf. : GEN-161.04.15/MR/rh


MADAGASIKARA LATSAKA AN-KATERENA :  MILA FANAPAHANKEVITRA MAIKA

FAMPIDIRANA
Olana maro karazana no mahazo ny firenena ankehitriny, olana izay miantraika amin’ny fiainana andavanandron’ny Malagasy.
Enina ambin’ny folo volana no lasa, nahazoana ny filoham-pirenena voafidy,hitondra ny firenena, tsy ampy ny entimanana ; very ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra, vokany kely dia kely ny fampandrosoana nentiny, very fanahy mbola velona ny entina, mangina ny mpitondra.
FIFIDIANANA   KAOMINALY
Miteraka resaka feno  fisalasalana ny fididianana kaominaly, ankehitriny, na dia fantatra aza fa  io no fifidianana ifotony, hametrahana ny mpitantana  voafidy hiantoka ny fampandrosoana ary azo hitarafana ihany koa ny fifidianana ho avy.
Ankehitriny anefa, dia misy ireo fandikana lalana tsy maintsy resahina, hisoroana ny fitarainana sy fanafoanana ny vokatry ny fifidianana, izay marihina fa mbola azo sorohina tsara ankehitriny:
-Voalaza ao aminy and-42 amin’ny lalana 2012-004  fampandehanana ny Cenit fa 30 andro ao aorian’ny fialan’ny filoha am-perinasa dia tsy maintsy  atao ny fanoloana azy araka ny fomba zay natao taminy fanendrena azy;


-And-57 io lalana io ihany no milaza fa tapitra ny fotoampiasan’ny ratsa mangaikan’ny Cenit amin’ny fotoana hifaranan’ny tetezamita (fianianan’ny filoham-pirenena)
-And-12 ny decret 2014-1929  ny 23 desambra 2014 ho fampiharana ny lalana 2014-021 tamin’ny 12 septambra 2014 dia  manao fianianana manoloana ny  sampam-pitsarana eo aminy toerana iasany alohan’ny andraisany ny asa sy andraikitra nankinina taminy ny solontenam-panjakana voatendry.
Fanontaniana dia raha nandray ny  arrête prefectoral araka ny lalana 2014 – 020 tamin’ny 27 septambra 2014 mamaritra ny isan’ny mpanolotsaina kaominaly ny prefet voatendry ve efa nahavita io fianianana voalaza ny didim-panjakana io?
Ary ny isan’ny ho mpanolotsaina dia herinandro aty aorian’ny fisokafan’ny andro nametrahana ny filatsa-kofidiana.
Ireo no hatsapana fa ratsy tantana ny fanomanana ny fididianana kaominaly.
ANDAO HIROSOANA NY FAMETRAHANA IREO ANDRIM-PANJAKAN’NY REPOBLIKA FAHA -4
Fanomezana hasina ny fiandrianam-pirenena ny fametrahana ireo andrimpajakana ireo ary hitarafana ny finiavana hirosoana hametrahana ny demokrasia, ny fitandroana ny zo maha olona ary ny fanjakana tan-dalana.
Satria ireo no aro fanina amin’ny fanamparam-pahefana, fanitsakitsahana ny zo maha olona ary  hametrahana ny fanjakana tsara tantana.
Inona avy ireo andrim-panjakana  sy rafitra ireo:
-Voalaza ny lalana 2014-007 tamin’ny 22 jolay 2014 ny fananganana ny Kaomisionam-pirenena mahaleotena mahakasika ny zo maha olona.
Rafitra  atao indrindra  hanaitra ny tompon’andraiktra eo amin’ny fanjakana  raha misy fanitsakitsahana ny zo fototra maha olona, ary milaza ny tokony hanajanona izany fihetsika izany.


-Lalana 2015-001  tamin’ny 19-janoary 2015 mahakasika ny  Filankevitra ambony misahana ny fiarovana ny Demokrasia sy  ny fanjakana tan-dalana.
Rafitra hafahana miantoka ny fankatoavan’ny fanjakana ny fitsipika demokratika, manara maso ny fitsipim-pitondran’ny mpanantanteraka ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalana.
-Ny filankevitra ambonin’ny fiarovam-pirenena  voalaza ny  lalampanorenana and-56
-Rafitra mpanaramaso   ny fitsarana : voalazan’ny and- 112 ny lalampanorenana.
Rafitra  hanaramaso ny  fanajana ny asa mendrika tokony ataon’ny mpitsara dia fanajana ny fahamarinana. Marihina fa ahitana solontenan’ny  haut conseil pour la defense de la democratie et de l’etat de droit………..
-Conseil  economique  social et culturel voalaza ny art 105 ny lalampanorenana.
Dingana lehibe no vita amin’ny finiavana hampijoroana ireo rafitra ireo ary  hitarafana fa ao anatin’ny 4eme repoblika tokoa i Madagasikara..
FANARENANA NY FIRENENA
-Navoaka ny  PND ary ny hanatanterahana azy, izany drafitra nasionaly izany dia  hampiarina eo amin’ny fampandrosoana miaraka ny firenena.
Ary ny mpanohitra, izay  hitarafana ny  firosoana any amin’ny  demokrasia, dia tokony hiseho  ara-panjakana manoloana io PND io.
Ireo laharampahamehana:
Atao anaty fotoana  fohy ny :
-fanajana ny lalana 2012-004 ary hapetraka  ny filoha ny Cenit voalazan’ny lalana
-Foanana ny  and 57 mampitsahatra ny  fotoam-piasan’ny ratsa-mangaikany Cenit


-Hapetraka ireo andrim-panjakana ny repoblika faha 4 ;
-Manao fianianana ny Prefet ary foanana sy  haverina ny famoahana    ny didimpitondrana  prefectoraly efa noraisina ny  16 avril 2015 teto Antananarivo.
-Maro ny Malagasy tsy mahafantatra ny PND ; hampitaina amin’ireo fikambanana tsy miankina ny votoatin’izany ary haparitaka isaky ny kaominina ny Pnd atao dikanteny Malagasy.
-Hampahafantarina ny vahoaka ny asa handrasana aminy ministera tsirairay ao anatin’ny ZATO andro sy ny  fepetra raisina ho an’ireo tsy mahomby ,ny vahoaka no hitsara fa tsy ny mpitondra..
Antananarivo, le 21 avril 2015.

Madeleine Ramaholimihaso, Hery Rakotomanana, Bruno Rakotoarison,                           Charles Rakotonirina, Jean de Dieu Raveloson, Zafimandimby.



Commentaires

Articles les plus consultés