Solika



Tsy mbola misy fiatraikany eo amin'ireo mpitatitra eto andrenivohitra hatreto ny fidinan'ny vidin-tsolika. Tsy mahafeno ny fatiantoka vokatry ny lalan-dratsy ny sy fitohanana ny tombony azo raha ho an'ireo taxi eto andrenivoihitra. 120 Ariary ny fidinana raha ho an'ny lasantsy raha toa ka 140 ariary ny fiakarana tao anatin'ny 7 volana farany. Tsy mbola tratra kosa ny vidiny tena izy na ny verité de Prix saingy efa manakaiky izany noho ny fidinan'ny vidin-tsolika eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena raha ny fanazavan'ireo mpandinika ny toekarena. 

Mbola tafakatra hatrany amin'ny 20 000 ka hatramin'ny 30 000 ariary fatiantoka ho an'ireo mpitondra taxi amin'izao fotoana izao raha oharina amin'ny fotoanan'ny lalana tsara. Tsy tsikaritr'ireo mpitondra taxi akory aza izay fidinana teo amin'ny vidin-tsolika izay. Tsy mampiova ny vola lany ho an'ny solika izany raha ny nambaran'izy ireo.
Course 4 sisa no vitan'izy ireo amin'ny lasantsy 20 000 raha toa ka nahavita 7 na 8 izany rehefa tsara ny lalana. Raha tsiahivina, omaly no nisy fidinany ny vidin'ny solika. 120 ariary izany ho an'ny essence sans plomb  ary 50 ariary izany ho an'ny gasoil. Hatramin'ny volana jolay 2014 anefa, efa in-2 nisy fiakarany ny vidin-tsolika. 140 ariary ny totalin'ny fiakaram-bidy. Mbola nisy elanelana 200 ariary ny tsy fahatratrana ny verité de Prix tamin'ny fiakarana farany tamin'ny 28 desambra 2014 farany teo. Raha ny fanazavan'ireo mpahay toekarena, tsy raikitra na volatile ny vidin-tsolika. Mety miova arak'izany ny vidiny tena izy. Nihena arak'izany io vidiny tena izy io ary fiatraikan'ny fitotonganan'ny vidin-tsolika eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena no nampisy izao fihenanana izao. Tsy mbola fantatra mazava kosa hatreto ny elanelana sisa misy eo amin'ny prix à la pompe sy ny verité de Prix amin'izao fisian'ny fidinana izao.
 

Commentaires

Articles les plus consultés