Grevy Tahirimbolam-panjakana



Tsy mbola mivaha ny olana ka mahatonga ny fitokonan’ny mpiasan'ny tahirim-bolam-panjakana na dia tontosa androany aza ny fifamindram-pahefana teo amin'ny Tale Jeneralin'ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha, Orlando  RAOBIMANANA sy ny Tale Jeneraly vaovao, FENO Pierre saingy tao anatin'ny sakoroka no nanatanterahana izany. Nanaiky ny famindram-pahefana i Orlando Raobimanana na dia nanda mafy hatramin'ny farany aza ny mpiasan'ny Tahirimbolam-panjakana. Raikitra ihany koa ny fandefasana vovoka mandatsa-dranomaso teny an-toerana.


Tsy nanaiky hatramin'ny farany ny fifamindram-pahefana teo amin'ny Tale Jeneraly Taloha Orlando Raobimanana sy ny Tale Jeneraly vaovao Feno Pierre ireo mpiasan'ny Tahirmbolam-panjakana androany. Taorian'ny fivoriana vao maraina nataon'izy ireo tao amin'ny tahirimbolam-panjakana, nihazo ny Ministeran'ny Vola sy ny Tetibola izany nanatanterahana ny fifamindram-pahefna ireo mpiasan'ny Trésor. Teto ivelan'ny Ministera dia efa nosakanan'izy ireo ny fiara nitondra ny Tale Jeneraly Orlando Raobimanana. Nanambara ny hanatanteraka izay fifamindram-pahefana izay ny tenany saingy nolavin'ireo mpiasa an-jatony maro tonga tety an-toerana.


Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana. Raha ny nambaran'izy ireo, ny Tale Jeneraly no nampiantso azy ireo. Hitondra azy hanao sonia ilay famindram-pahefana no anton-diany tety. Tsy nanaiky izany anefa ireo mpiasa ka tonga hatramin'ny fanaparitahana vovoka mandatsa-dranomaso. Raikitra ny sakoroka rehefa nentin'ireo mpitandro filaminana an-keriny niakatra hihazo ny efitrano fivoriana ity Tale Jeneraly taloha ity. Tao anatin'ny hazakazaka tanteraka no nantanterahana ny fanaovan-tsonia. Nanambara ny Tale Jeneraly taloha fa manaja ny ara-dalàna ny tenany ka nahatonga azy hanaiky izao fanalana azy amin'ny toerany izao.
Nisy endrika fanerena tao ambadik'izao raharaha izao raha ny nambaran'ireo mpiasan'ny Tahirimbolam-panjaka androany.
Tsy hanasazy ireo mpiasan'ny Tahirimbolam-panjakana kosa ny Tale Jeneraly vaovao manoloana izao fitokonana izao. Sady niolakolaka kosa no tsy nanome valiteny mazava ity Tale Jeneraly vaovao ity mikasika ilay vola 40 miliara ariary na hamoaka na tsia izany ny tenany.
Hivoaka ary ve ny vola 40 milliara ariary  manomboka eto ? filam-boa tsy hary  ve ny an’ireo mpiasan’ny tahirim-bolam-panjakana izay nilaza fa tsy fanarahan-dalàna no niakan’ny minisi-panjakana hamoahana io vola io ? Ho fantatra amin’izay izany izao ny tena datim-pifidianana fa hivoaka ny vola ampiasan’ny antokon’ny mpitondra hiatrehana izany ? Fanontaniana teny am-bavan’ny mpaisan’ny tresors avokoa ireo androany. Nivory sy nihaona tamin'ny Tale Jeneraly Taloha ireo mpiasan'ny Tahirimbolam-panjakana taorian'ny fifamindram-pahefana. Mbola eo ampandinihana izay ho tohin'ny hetsika kosa ireo mpiasan'ny tresor public ny amin'ny ho tohin'ny hetsika.
Mbola manalasala kosa ny hisokafan'ny Tahirimbolam-panjakana malalaka amin'ny Alatsinainy ho avy izao raha ny zava-misy ankehitriny. Mbola hifampiresaka amin'ireo mpiasan'ny tahirimbolam-panjakana ny Tale Jeneraly vaovao raha ny nambarany androany mikasika ny fikarakarana ny fandoavana ny karaman'ny mpiasam-panjakana sy ny fisotroan-dronono. Tantara mitohy.

Commentaires

Articles les plus consultés