Gadra politika



15 ireo voasokajy ho gadra politika no mbola tsy nahazo fahafaha hatreto. Mbola miandry fanapahan-kevitra avy ami'nny filan-kevitry ny Governemanta ny famotsorana azy ireo raha ny namabaran'ny minisitry ny fitsarana. Etsy andani'nizay, tsy mbola misy resaka kosa hatreto ny famoahana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay tsy mbola isan'ireo 15 voalaza ireo. 





3 no mbola migadra any Tsiafahy, 9 no migadra eny Antanimora ary 3 kosa ny miaramila izay mbola tsaboina. Isan'izany i Coutiti, ny adjudant-chef Isaorany ary i Colonel Charles izay manaraka fitsaboana atsy La Réunion. Isan'ny fampanantenan'ny filohampirenena ny famotsorana azy ireo. 11 volana aty aoriana anefa, mbola any amponja hatrany izy ireo. Mbola miandry ny filankevitry ny governemanta ny fandraisana fanapahan-kevitra momba azy ireo raha ny nambaran'ny minisitry ny fitsarana omaly. Filan-kevitry ny governemanta rahoviana? 8 andro sisa dia hifarana ny taona, mbola tsy nisy nivoaka izy ireo. Fa mbola manjavozavo ihany koa ny raharaha momba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay tsy isan'ireo 15 voatonona toa aloha. Raha efa nambara tamin'ny Conférence au sommet izay natao ny faha-18n'ny volana desambra teo, tsy mbola foana ny raharaham-pitsarana mikasika azy. Tsy mbola mazava araka izany ny famotsorana azy. Rahoviana? Sa miandry ny "Grace Présidentiel" amin'ny taona vaovao avokoa izy rehetra ireo. Etsy andanin'izay kosa, tsy mbola nasian-dresaka ireo niharam-boina tamin'ny krizy nifanesisesy teo Madagasikara toa ny tamin'ny taona 2002 sy ny tamin'ny taona 2009. Tsy mbola voavalin'ny fanjakana ireo fangatahana fanonerana azy ireny. Hiandry hatrami'nny rahovina ihany koa?

Commentaires

Articles les plus consultés