BAREAN'I MADAGASIKARA : TAFITA IHANY NA DIA NIONDRIKA TEO ANOLOAN'NY LION DU TERANGA AZA


Vaovaon’ny fanatanjahan-tena, momba ny fiatrehan’i Madagasikar any CAN 2019 izay atao any ejipta amin’ny volana jona ho avy izao. Tontosa ny sabotsy ny sy alahady teo ny andro farany tamin’ny fifanitsanana isam-bondrona, hiakarana any amin’ny dingana famaranana. Raha ho an’I Madagasikara manokana, niondrika 2 noho Aotra tany an-tanin’ny Lion du Teranga, tany Sénéga nby Barea. Tsy nampiova ny efa fahatafitan’I Madagasikara ho any amin’izay dingana famaranana izay anefa ny voka-dalao. 

2 noho 0, io ny voka-dalao nisarahan’ny Barean’I Madagasikara sy ny Lion du téranga avy ao Sénégal tamin’ny andro farany tamin’ny fifanitsanana isam-bondrona hiatrehana ny dingana famaranana amin’ny CAN 2019. Lalao notontosaina tao amin’ny kanjan’I LAT DIOR, ao Thiès, Sénégal tamin’ny sabotsy teo. Raha ny fizotry ny lalao tamin’ny ankapobeny, sahirana ny ekipam-pirenena niatrika ity lalao ity, indrindra tany amin’ny fampidiram-baolina. Teo ampialan-tsasatra dia efa nitarika 1 noho aorta ny ekipan’I Aliou Cissé, ary niampy iray indray izany mialoha ny nifaran’ny lalao. Na izany aza, azo lazaina ho niatrika lalao tsara ny Barean’I Madagasikara, ary misy azo hakana lesona tsara ny lesoka rehetra tamin’iny lalao farany teo iny, mialoha ny tena hiatrehana ny dingana famaranana any Ejipta amin’ny volana jona. Na dia hita ho tsy ampy fanomanana sy faiarahana milalao ihany koa aza ny Barea. Tranga izay, hita taratra teo amin’ny tsy fifankazahoana teo amin’ny vodilaharana, tamin’ilay baolina faha-2 tafiditry ny Sonegaly. I Sénégal, izay tsiahivina rahateo fa ekipam-pirenena voalohany aty Afrika, raha eo amin’ny filaharan’ny FIFA farany teo. Na dia nibaby faharesena in-2 miantoana aza ny ekipan’ny Barea tamin’ireo andro 2 farany tamin’ity fifanintsanana isam-bondrona ity, eo amin’ny laharana faha-2 hatrany no misy antsika, ary tsy nampiova ny efa fahatafitana ho any amin’ny dingana famaranana izany. Etsy ankilan’izay kosa, efa tapitra tamin’iny faran’ny herinandro teo iny avokoa ny lalao rehetra isam-bondrona ho an’izay fifanitsanana ho amin’ny CAN 2019 izay. Efa fantatra arak’izany ireo ekipa 24, izany hoe 2 avy isam-bondrona hiatrika izay dingana famaranana atao any Ejipta amin’ny volana jona izay. Raha I Madagasikara no efa fantatra fa tafita voalohany tamin’izany, tamin’ny fihaonana tamin’ny Guinée Equatoriale tamin’ny faran’ny taona 2018, I Afrique du Sud kosa no  tafita farany, omaly alahady rehefa nandavo an’I Libie 2 noho 1 tao Tripoli.
Ankoatra an’I Egypte, izay mampiatrano ny dingana famaranana, firenena 23 hafa no mandray anjara amin’ity CAN 2019 ity, izay voalohany eo amin’ny tantaran’ny CAN. Hatramin’ny taona 1998, ekipa miisa 16 hatrany no niatrika izany. Voalohany arak’izany no hisy ekipam-pirenena marobe tahaka izao no hiatrika izay dingana famaranana ny CAN izay, ary tsy nandiso fanantenana avokoa ireo ekipam-pirenena goavana. Tsy ho tazana kosa anefa ny ekipa sasany izay efa nibata ny amboara toa an’I Congo, Ethiopie, Soudan ary Zambie. Ity andiany indray mitoraka ity ihany koa no nahitana fandraisana anjara voalohany be indrindra. Isan’izany I Burindi, Mauritanie, ary I Madagasikara. Manampy azy ireo i Tunisie, Sénégal, Maroc, Mali, Ouganda, Nigeria, Algerie, Guinée, Cote d’Ivoire, Ghana, Kenya, Angola, Cameroun, Guinée-Bussau, Namibie, Zimbabwe, RD Congo, Benin, Tanzanie ary I Afrique du Sud.

Listes des pays qualifiés



PaysNbre de participations
Egypte24
Tunisie19
Madagascar1
Sénégal15
Maroc17
Mali11
Ouganda7
Nigeria18
Algérie18
Mauritanie1
Guinée12
Cote d'Ivoire23
Ghana22
Kenya6
Angola8
Burundi1
Cameroun19
Guinée-Bissau2
Namibie3
Zimbabwe4
RD Congo19
Benin4
Tanzanie2
Afrique du Sud8

Amin’ny faha-12n’ny volana aprily izao no hanatanterahana ny fisarihana, ao Le CAIRE, Egypte, ary handrafetana ireo vondrona miisa 6, izay hisy ekipa 4 avy, avy amin’ny satroka 4 samihafa. Amin’io ihany koa no afahantarana ny fandaharana rehetra momba ny lalao ho atrehin’ny ekipam-pirenena tsirairay avy. Ny filaharana eo anivon’ny FIFA farany teo kosa no nandrafetana ireo satroka tsirairay avy. Ao amin’ny satroka voalohany no ahitana an’I Egypte, Ghana, Tunisie, Cote d’Ivoire, Cameroun ary Sénégal. Ao amin’ny sarotraka faha-2 : Maroc, Nigeria, RD Congo, Algérie, Mali, Guinée. Satroka faha-3 : Ouganda, Afrique du Sud, Guinée Bissau, Zimbabwe, Angola, ary Burindi. Satroka faha-3 :  Mauritanie, Namibie, Bénin, Kenya, Madagasikara ary Tanzanie.


Raha tsiahivina, ny faha-21 jona ka hatramin’ny faha-19-n’ny volana jolay no hanatanterahana izay dingana famaranana amin’ny CAN 2019 izay any Egypte.
By Zo Fen's

Commentaires

Articles les plus consultés