Declaration du SEFaFi par rapport à la situation Politique de Madagascar
SeFaFi
SEHATRA FANARAHA-MASO NY FIAINAM-PIRENENA
Observatoire de la Vie Publique
Lot III M 33 K Andrefan’ambohijanahary, Antananarivo 101
_________________________________________________________
Pour sortir de la crise, réconcilier légalité et légitimité
Les affrontements sanglants du samedi 21 avril dernier, autour de la place du 13 mai à Antananarivo, sont révélateurs d’une crise profonde qui pourrait une fois encore mettre en péril la paix sociale et le développement du pays. Malgré l’inquiétude, il est aussi peu crédible d’évoquer une tentative de coup d’État que d’invoquer une improbable transition cléricale ou un détestable directoire militaire. La seule solution acceptable et durable à l’impasse actuelle ne peut qu’être démocratique, et il revient donc à chacun, individu, association ou institution, d’y apporter sa contribution.
Membre de la société civile, le SeFaFi (Observatoire de la vie publique) voudrait insister sur le fait que, quelle que soit la solution proposée pour résoudre les conflits actuels, tout schéma de sortie de crise doit impérativement se conformer aux institutions et respecter le suffrage populaire. Car si l’abus de pouvoir ou les actes de corruption ont fait perdre leur légitimité démocratique à la classe dirigeante, celle-ci n’en reste pas moins dépositaire de la légalité républicaine. Parallèlement, la contestation menée par des députés soudainement mués en opposants pétris de principes n’a pas la légalité requise pour prendre le pouvoir, même si elle récupère une part de légitimité populaire. Seules des élections libres, transparentes et crédibles pourront réconcilier légitimité et légalité.
Réexaminer les lois électorales
L’adoption contestable et contestée des lois électorales a été l’élément déclencheur de cette prémisse de crise actuelle. Le verdict à venir de la Haute cour constitutionnelle n’apaisera pas les tensions : la HCC ne peut que juger de la constitutionnalité des textes et n’est pas habilitée à proposer d’autres solutions ; mais elle pourrait aussi sanctionner les procédures apparemment déficientes qui ont amené au vote. Par contre, selon l’article 59 de la Constitution, « dans les trois semaines qui suivent la transmission par l’Assemblée nationale de la loi définitivement adoptée (…) le Président de la République peut demander au Parlement une nouvelle délibération de la loi. Cette nouvelle délibération ne peut être refusée ». Qu’il le fasse sans arrière-pensées, et la tension commencera à baisser dans le pays.
Débattre les amendements à la loi
Une nouvelle délibération des lois électorales permettra aux députés et aux sénateurs de l’opposition de soumettre à l’Assemblée nationale et au Sénat les amendements qu’ils souhaitent y apporter. Et pour que les débats et les votes ne souffrent d’aucune contestation, il faudra à nouveau se conformer à la Constitution : « Les séances de l’Assemblée nationale sont publiques » (art. 77) et « Les dispositions des articles 71 à 79 sont applicables, par analogie, au Sénat » (art. 85). En vertu de leur mandat de service public, la Radio et la Télévision nationales devront donc retransmettre la totalité de ces débats, ce qui permettra aux citoyens et aux électeurs de tout le pays d’en juger en toute objectivité.
Rendre crédibles et acceptés de tous les opérations et les résultats électoraux
Le débat biaisé sur les textes électoraux et l’agitation des derniers jours cachent un problème susceptible d’amorcer une nouvelle crise. Il s’agit des préparatifs électoraux liés à la vraie indépendance de la CENI et aux moyens pour mener à bien les opérations, en particulier l’éducation électorale. Il semble difficile, aujourd’hui, de croire que la CENI soit véritablement prête, et des doutes se forment déjà sur la légitimité de la liste électorale, sur le nombre exact de bureaux de vote, et sur l’acheminement des résultats. Que les partenaires techniques et financiers véritablement soucieux de la stabilité politique nous prêtent main forte en termes de moyens électoraux.
Quoiqu’il en soit, les hommes qui ont plongé Madagascar dans la misère et dans l’anarchie n’ont plus à revendiquer aujourd’hui un rôle dans le redressement du pays. À plus forte raison ceux qui, autrefois, ont provoqué la mort de citoyens innocents et qui, aujourd’hui, présentent leurs condoléances attristées aux victimes de ces derniers jours. Cette hypocrisie, qui s’apparente au traditionnel manararao-paty (profiter des morts), cache mal une volonté affichée de s’emparer du pouvoir par des voies non démocratiques et anticonstitutionnelles. Les citoyens ne doivent pas se laisser duper par les manipulations larmoyantes des uns et des autres.
Le pays ne se libérera pas de ses crises successives tant que n’aura pas été instauré un pouvoir légalisé par des élections incontestées et légitimé par l’adhésion des citoyens. Toute autre issue, qu’il s’agisse d’un pouvoir auto-proclamé, d’une transition cautionnée par la religion, ou du maintien en place d’un pouvoir corrompu, sourd et autoritaire, conduira inéluctablement à une nouvelle impasse. Les dirigeants actuels -exécutif, législatif et judiciaire confondus- peuvent encore faire redescendre la pression en améliorant les lois électorales et en organisant des élections honnêtes. Faute de quoi, ils porteront la lourde responsabilité des violences à venir.
Antananarivo, 25 avril 2018
SeFaFi
SEHATRA FANARAHA-MASO NY FIAINAM-PIRENENA
Observatoire de la Vie Publique
Lot III M 33 K Andrefan’Ambohijanahary, Antananarivo 101
Mba hialana aminy krizy,
ampifanarahana ny ara-dalàna sy ny ara-drariny
Ny fifandonana nampisy ra latsaka ny sabotsy 21 aprily teo amin’ny kianjan’ny 13 mey teto Antananarivo dia nampiharihary ny fisian’ny krizy lalina mbola mety handrava indray ny filaminam-bahoaka sy ny fampandrosoana ny firenena. Eo dia eo tokoa ny ahiahy, nefa sarotra ny hieritreritra fanonganam-panjakana na hihevitra tetezamita tantanan’olom-piangonana na koa fitondra-miaramila efa mahatofoka. Ny hany vahaolana azo ekena sy mateza manoloana ny toe- draharaha ankehitriny dia tsy maintsy demokratika ary tsy maintsy samy mitondra ny anjara birikiny amin’izany daholo na ny olona tsirairay na ny fikambanana na ny andrim-panjakana.
Mpikambana ao amin’ny fiarahamonim-pirenena ny SeFaFi (Sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena), ka te hanitrikitrika fa izay tetika rehetra enti-miala amin’izao krizy izao dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny rafi-panjakana ary manaja ny safidim-bahoaka, io no lalana tsy maintsy izoran’izay vahaolana aroso. Efa naloam-bahoaka ny mpitondra noho ny fanararaotam-pahefana sy ny kolikoly, na izany aza anefa, mbola ry zareo aloha izao no ara-dalàna amin’ny maha repoblika ny firenena. Etsy andanin’izany ny fanoherana nataon’ny solombavambahoaka, izay nivadika tampoka ho mpanohitra madio fisaina, dia tsy ara-dalàna raha entiny maka fahefana na dia tohanan’ny ampahany betsaka amin’ny vahoaka aza. Ny fifidianana malalaka, mangarahara sy azo ekena ihany no afaka mampiara-dalana ny ara-dalàna sy ny lanim-bahoaka.
Iverenana dinihina ny lalàm-pifidianana
Azo kianina, sady efa voakiana rahateo, ny fomba nandaniana ny lalàm- pifidianana, izany no niteraka an’io krizy ankehitriny io. Izay ho fanapahan-kevitry ny HCC eo akory tsy handamina velively izao fisavorovoroana izao. Tsy misy azony atao afa-tsy ny mijery raha mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana io lalàna io ary tsy manana vahaolana hafa azo omena izy, azony kianina koa ny fomba nantanterahana ny fandaniana io lalàna io izay hita tokoa fa tena nandringa. Nefa araka ny andininy 59 ao amin’ny Lalàmpanorenana : « Ao anatin’ny telo herinandro manaraka ny fampitàn’ny Antenimieram-pirenena ny lalàna nolaniana tanteraka, (…) ny Filohan’ny Repoblika dia afaka mangataka amin’ny Antenimiera ny fandinihana indray ilay lalàna na ny andininy sasantsasany ao aminy. Tsy azo làvina io fandinihina vaovao io ». Tsy tokony hasiana hevitra ambadika ny fanaovana an’io dia hihatony ny raharaha eto an-tanindrazana.
Miady hevitra momba ny fanitsiana lalàna
Raha averina dinihina indray ny lalàm-pifidianana dia azon’ny solombavambahoaka sy ny loholona mpanohitra atao ny manolotra izay fanitsiana tiany hatao. Dia hajaina tanteraka ny Lalàmpanorenana mba tsy ho azo kianina intsony ny adihevitra sy ny fifidianana : « Ampahibemaso ny fivorian’ny Antenimieram-pirenena » (and. 77), ary « Ny fepetra voalazan’ny andininy faha-71 hatramin’ny faha-79 dia ampiharina amin’ny Antenimieran-doholona ihany koa » (and. 85). Natao ho an’ny vahoaka ny fampielezampeom-pirenena sy ny fahitalavi-pirenena ka tokony hampita manontolo ny fizotran’ny adihevitra any amin’ny olom-pirenena sy ny mpifidy manerana ny nosy mba hahafahany mitsara amin’ny saina tsy miangatra.
Atao izay haneken’ny rehetra
sy hankatoavany ny fizotran’ny fifidianana sy ny vokany
Ny adihevitra feno fitapitaka momba ny lalàm-pifidianana sy ny savorovoro aterak’izany dia mikotrika olana mety hampisy krizy vaovao. Toy izany koa ny momba ny fahaleovantenan’ny CENI amin’ny fanomanana ny fifidianana sy ny fitaovana hoenti-manatanteraka azy, singanina amin’izany ny fanabeazana ny mpifidy. Sarotra anefa ankehitriny ny hino fa ny CENI dia tena vonona tokoa : efa mampiahiahy sahady ny maha lanim-bahoaka ny lisi-pifidianana sy ny isan’ny birao fandatsaham-bato ary ny fomba fanaterana ny voka-pifidianana. Raha tena miahy marina ny filaminana politika ny mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola dia tsy maintsy manampy amin’ny fampitaovana ny fifidianana.
Na ahoana na ahoana kosa anefa ireo izay nandatsaka an’i Madagasikara ao anatin’ny lavaky ny fahoriana sy ny fanjakan’i Baroa dia tsy tokony hitaky toerana intsony fa hoe hanarina ny firenena. Indrindra moa ireo izay efa namono vahoaka tsy manan-tsiny tany aloha, nefa ankehitriny dia miseho ho miombom-pahoriana amin’ireo izay niharam-boina farany teo. Io fihatsarambelatsihy asehon’ny olona manararao-paty io dia tsy mahatakona velively ny faniriany miharihary handrombaka fahefana amin’ny fomba tsy demokratika sady tsy manaja ny Lalàmpanorenana. Tsy tokony ho voafitaky ny tetika an-dranomaso ampiasain’ny andaniny sy ny ankilany intsony ny vahoaka.
Mbola tsy ho afaka amin’ny krizy mverimberina ny firenena raha tsy tafatsangana ny fahefana ara-dalàna avy amin’ny fifidianana madio, lanim-bahoaka ka nankatoaviny. Ny vahaolana hafa, na ny fahefana nitolo-tena, na ny tetezamita tohanan’ny antokom-pinoana, na ny mbola fitazomana ny mpitondra ankehitriny bokan’ny kolikoly, be marenina sy mpijadona dia tsy maintsy hiafara amin’ny krizy vaovao indray. Ny mitondra ankehitriny rehetra, na mpanatanteraka, na mpanao lalàna na mpitsara dia samy afaka mampitony ny toe-draharaha daholo raha hatsarainy ny lalàm-pifidianana ka fifidianana tena marina sy madio no tanterahiny. Raha tsy izany dia izy no hiantsoroka ny vesatry ny herisetra ao aoriana ao.
Antananarivo, 25 avrily 2018
Commentaires
Enregistrer un commentaire