FANAMBARANA OJM



Manoloana ny fisamborana an’i Fernand Cello, mpanao gazetin’ny Radio Jupiter, ny alin’ny zoma 5 mey teo, izahay mpikamban’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara dia manao izao fanambaràna izao :
- Eo am-panagonana ny vaovao rehetra mahakasika ny antony nisamboràna azy izahay
- Ny Biraon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara dia hijoro amin’ny fiarovana azy raha toa ka fandikan-dalàna mahakasika ny asa fanaovan-gazety (délit de presse) izany antony izany
- Manentana ny manam-pahefana tompon’andraikitra amin’ny fikirakiràna ity raharaha izahay ny mba hijery ny lafiny maha-olona satria raha ny fantatra dia tao anatin’ny tsy fahasalamana no nisamborana azy
- Matoky ny fahendren’ny ambaratongam-pitsaràna rehetra izahay amin’ny fandinihana ny raharaha mahakasika azy
- Manara-maso akaiky ny fivoaran’ity raharaha ity izahay mpikambana manerana ny nosy 
- Manentana hatrany ny mpanao gazety mba hitandro toa ny anakandriamaso ny “Ethique et Déontologie” amin’ny fanatanterahana ny asa 
Antananarivo, faha-06 mey 2017 
Ny Biraon’ny Holafitra eto Madagasikara

Commentaires

Articles les plus consultés