Fitsaram-bahoaka

Mirongatra sy miha-mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka tato ho ato. Ankoatra ireo tranga efa re sy hita andro sy herinandro maromaro izao, izay tena nalaza tokoa, toa ny tao Antsakabary - Befandriana Avaratra, ny tany Besalampy, ny saika efa nanafihan'ny fokonolona ny biraon'ny Zandary tany Ambanja, ny zava-nitranga sy ny fanafihan'ny olona ny biraon'ny zandary tany Ikongo, ny tranga tao Mananjary sy ny sisa maro ... Izao indray, tato anatin'ny 24 ora farany talohan'izao hanoratana izao ( 22 martsa 2017 - 11 h 38mn), miisa 5 sahady ireo tranga hita. Omaly, tany Antsirabe, ramatoa iray malaza mpangarom-bava no maty nodarohan'ny fokonolona. Omaly ihany, tao amin'ny Distrikan'Antsiranana faha-2. Io maraina io tao Befotaka, Distrikan'i Mahabo, io maraina io ihany koa tao Ambatofolaka Fianarantsoa ary ny tany Berenty - Atsimo Andrefana omaly. Maty avokoa ny 4 amin'ireo niharan'ny fitsaram-bahoaka ireo. Ny iray kosa mbola miady amin'ny fahafatesana.




Commentaires

Articles les plus consultés