Raharaha Ravalomanana




Tsy mbola eo ampelatanan'ny fitondram-panjakana Malagasy hatreto ireo atotan-taratasy na ny tatitra mirakitra ny fanadihadiana mikasika ny fialan-dRavalomanana antsokosoko tany Afrika Atsimo sy ny nidirany teto Madagasikara. Mbola mandalo eny amin'ny Ministeran'ny Raharahambahiny izany izay vao ho tonga eny amin'ny Ministeran'ny fitsarana. Efa tonga niresaka tamin'ny filoha teo aloha kosa ireo iraka sy ny Masoivohon'i Afrika Atsimo. Tsy nisy nipika ny resaka saingy azo antoka fa nisy ny fanaovana tatitra izay raharaham-pitsarana izay.

Iraka manokana nalefan'ny filoha Jacob Zuma, niaraka tamin'ny masoivoho avy atsy Afrika Atsimo no tonga teny amin'ny trano fonenan'ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Nanatrika izany fihaonana izany ihany koa ny lohandohan'ny mpisorona vitsivitsy avy amin'ity ankolafy ity. Nitondra hafatra ho an'ny filoha teo aloha ireto delegasiona ireto raha ny loharanom-baovao iray akaiky ity filoha teo aloha ity. Tsy nisy nipika kosa ny dinika. Nanao tatitra mikasika ny fanadihadiana nataon'ny fanjakana Afrikana Tatsimo mikasika ny fialan-dRavalomanana tany ami'nioty firenena ity ve ireto iraka manokana ireto. Raha tsiahivina efa nanao fanambarana ny Masoivohon'ny Afrika Atsimo tamin'ny fiandohan'ny herinandro fa efa nahavita ny fanadihadiany ry zareo ao Afrika Atsimo ary nanameloka ny fialan-dRavalomanana antsokosoko tany an-toerana sy ny fidirany antsokosoko teto. Tsy mbola nahavoaray na inona na inona mahakasika izay kosa ny fitsarana Malagasy raha ny nambaran'ny Minisitry ny Fitsarana tami'nity faran'ny herinandro ity.
Andrasana araka izany ny fahatongavan'izay tatitra izay eny amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny. Mbola mipetraka ihany koa ny fanontaniana hoe hijery fotsiny izay raharaham-pitsarana izay ve ny fanjakana Malagasy ka hamela an-dRavalomanana ho afaka amin'izao?

Commentaires

Articles les plus consultés