Madagasikara 2015



1 janoary 2015. Andro vaovao, volana vaovao, taona vaovao. Hanao ahoana ny lafiny politika eto Madagasikara amin'izao fiandohan'ny taona izao. Teboka lehibe maromaro no andrasan'ny mpanara-baovao eo ami'nity sehatra ity, indrindra amin'izao volana janoary izao. Isan'ny lehibe indrindra ami'nizy ireny ny fampihavanam-pirenena, ny fanombohana ny fampiharana ilay Drafim-panjakana ho an'ny fampandrosoana, ny fananganana ny Haute Cour de Justice sy ny sisa. 




Hanao ahoana ity 2015 ity ? Fanontaniana  voalohany manitikitika ny  sain'ny mpanara-baovao  amin'ity taona vaovao  ity. Zavatra maromaro no andarasan'ny besinimaro amin'ity vola Janoary ity. Ny faha-9n'ny volana janoary ho avy izao no ho tanterahana eny Iavoloha ny lanonana fifampiarabana tratry ny taona amin'ny fomba ofisialy. Isan'ny andrandrai'nny vaohoaka madinika ny kabary fanampiny  sy ny fampanantenana tsy poakaty hataon'ny filohampirenena taorian'ilay kabary izay efa notontosaina tamin'ny faha-28n'ny volana desambra 2014 lasa teo. Ireo mpiasam-panjakana ihany koa dia miandry fatratra ny fampisondrotana 10%ny karaman'izy ireo toa ny fanao isaky ny taona vaovaop  toa izao, nefa tsy nisy tamin'ny herintaona. Etsy andanin'izay, isan'ny hiavaka ami'nity volana janoary ity ihany koa ny fampihavanampirenena. Andrasana ny andiany faha-2 amin'ny fampihaonana ireo filohampirenena nifandimby teto. Raha ny vaovao voaangona, isan'ireo voaasa manokana amin'ilay fety fifampiharabana tratry ny taona eny Iavoloha ireo filoha teo aloha 4 : Ratsiraka, Ravalomanana, Zafy Albert, ary Andry Rajoelina. Hitohy amin'ny faha-13n'ny volana janoary eny amin'ny hotely kintana 5 eny Ivato izay fampihaonana ireo filoha nifandimby izay tarihin'ny FFKM. Mbola mikasika ny filoham-pirenena hatrany, amin'ny faha-25n'ny volana janoary no feno herintaona ny nanaovan'i Hery Rajaonarimampianina fianianan teny Mahamasina. Andrasana amin'ity volajanoary ity araka izany ny fananganan ny Haute Cour de Justice na ny HCJ. Ity rafitra ity izay ahafahana mitory ireo manampahefana sy mpitondra fanjakana. Lalàna izay vao nolaniana tamin'ny tapaky ny volana desambra 2014 teny anivon'ny Antenimierampirenena ary voalohany teto Madagaiskara. Mbola hijanona eny Tsimbazaza ihany isika, isan'ny andrasana amin'ity taona vaovao ity ihany koa ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany iay hamerenana handinihana sy handaniana indray ny volavolan-dalàna mikasika ny fitsinjaram-pahefana. Andrasana fatratra ny fandaniana azy ity, indrindra ny momba ireo kaominina misy sata manokana 3 dia Atananarivo, nosy Be ary Sainte Marie. Ity lalàna momba ny fitsinjaram-pahefana ity izay hiankinan'ny fidianana ho avy, toa ny fifidianana kaominaly izay efa notondroin'ny Ceni-T hatao ny faha-17n'ny volana jolay ho avy izao. Eo amin'ny lafiny fampandrosoana kosa indray, voavolavola tamin'ny fomba ofisily tamin'ny filankevitry ny governemanta farany teo ihany koa ilay Drafim-panjakana momba ny fampandrosoana na ny Plan National de Developpement. Ity PND ity izay natao ho an'ny taona 2015 - 2016. Vola mitentina 10 212 miliara ariary no ilaina hanatanterahana izany. Isan'ny hibahan-toerana amin'ity PND ity ny fitonrana tsara tantana na ny bonne gouvernance, ny tany tan-dalàna ary ny fanomezana vahana ny Vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana. Ity farany izay tsy mbola manana hafa-tsy 1% ao anatin'ny teti-bolam-panjakana 2015. Andrasann'ny besinimaro  araka izany ny fanombohana sy fampiharana ity Drafim-panjakana ho an'ny fampandrosoana ity.
 

Commentaires

Articles les plus consultés