Ravalomanana - Fampihavanam-pirenena sa Amnistie



Amin'io herinandro ambony io no ihaona amin’ny FFKM sy ny mpisolovava ny Brian Curin i marc ravalomanana. Etsy amin’ny Magro kosa, mandeha ny feo fa hotsaraina aloha i marc ravalomanana mialoha ny hirosoana amin'ny fampihavanam-pirenena ka raha izay no zava-isy dia hiandry amnistie izy ireo. Na izany aza, tsy misy ny vaovao firy tonga etsy amin’ny Magro, ka mampirohoro saina azy ireo. Raha ny vaovao azo avy amin’ny loharnaom-baovao akaikin’y fitondram-panjakana androany kosa, misy ifandraisany amin’ny fitsarana an-dravalomanana ny fahatongavan’ny mpisolo vava zy.


Misy ifandraisany amin’ny fitsarana an-dravalomanana ny fahatongavan’ilay mpislo vava afrika tatsimo eto, saingy tsy fantatra mazava hoe fitsaran an-dravalomanana marc eto, sa ilay fitsarana azy any Afrika atsimo. Fantatra ihany ka fa niandry nyfahatongavan’ity mpisolovav azy ity no tsy mbola nahatanteraka ny fihainoan’ny fitsarana an-dravalomana nhatramin’izao. Inona ary ny dossier izay hilan’ny filohateo aloha an’i bryan currin eto Madagasikara, ilay dossier vaovao hiampangana zy ho niditra na-tsokosoko teto ve , sa ireo dossier teo aloha. Amin'ny herinadro ambony vao afaka hihaona ami'nireo delegasiona maromaro efa any antoerana ity filoha teo aloha ity. Raha ny fanazavana azo hatrany , isan'ny antony nahatongavan'ity mpisolovava azy ity eto Madagasikara ny handinika manokana momba ireo "dossier" hitazonana azy any Antsiranana. 


Tsy nisy tafiditra sy afa-niresaka tamin'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana na ny fiankaviany na ny Mpisolovava azy hatreto raha ny vaovao azo tetsy amin'ny Magro androany. Izy ireo ihany hatreto no afaka nahazoam-baovao momba ity filoha teo aloha ity taorianan'ny fanampenam-bava nataon'ny Sadec an'ireo lohandohan'ny mpisorona ao amin'ny ankolafy Ravalomanana. Hatreto, efa miandrandra "amnistie" ireo eto amin'ny Magro. 



Isan'ireo delegasiona hihaona amin'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ihany koa ny FFKM araka ny loharanom-baovao akaiky ity filoha teo aloha ity. Mbola mampametram-panontaniana hatreto ny kisarisary mety hitranga amin'ity Raharaha Ravalomanana ity. Raha ny zava-misy hatreto, mampametra-panontaniana ny maro ny   hoe inona ny fifanarahana politika ambadiky ny zava-misy rehetra ankehitriny, inona no ho tonga mialoha ny amnisitie sa ny grace présidentielle amin’ny volana Janoary.

Commentaires

Articles les plus consultés