Mpisoloky Mercure



Vaovaon'ny trangampiarahamonina kosa indray, tsy kely lalana ny ratsy ary tsy mifidy tavan'olona ireo mpanao ratsy. Vola mitentina 18 tapitrisa ariary indray no nisy nisoloky tamin'ny voalohandohan'ny volana aprily teo. Resaka mercure avokoa no nahasodoka ireo olona vitsivitsy tratran'izany. 7 mianadahy kosa  voasambotra ary indray nidoboka amponja. 



Mercure, Kalanoro, Romba, fanafody fampatoriana, samy ampiasain'ireo olon-dratsy hisolokiana amin'ny fomba avolenta avokoa ireo. Dadarabe, milaza ho mpitsabo nentimpaharazana ity rangahy iray ity. Tamin'ny herinandro lasa teo, lehilahy iray no voasolokiny vola 34 tapitrisa iraimbilanja. Milaza ho afaka mitady mercure amin'ny alalan'ny kalanoro sy romba any ambanivohitry Tsiroanomandidy. Fitaka bevava anefa izany.


Kom. RAKOTONDRASOA Jean de Matha, Chef SCAC

Nametraka fitoriana ilay voasoloky rehefa  tsy nipoitra intsony i Dadazefa. Tsy hitan'ny odiny anefa ny fahatongavan'ny polisy hisambotra azy. Tamin'ny faran'ny herinandro teo no voasambotry ny polisy avy ao amin'ny BC teny Ambanidia  izy. Ireto indray no andiany manaraka amin'ny tambajotran'ireo mpisoloky izay ravan'ny polisy mbola tamin'iny faran'ny  herinandro iny ihany. Samy mercure ihany ny resaka fa tamin'ny fomba hafa indray no nisolokian'izy ireto. Mercure hosoka no saika hamidiny, nampatoriany ireo mpividy ary nangalariny ny vola 60 tapitrisa iraimbilanja tany amin'izy ireo. 


Kom. RANAIVOSON Alexandre, Serasera Polisy

Rehefa nahatsapa tena ho voafitaka avokoa ireo olona izay vao tonga saina ka nametraka fitoriana.  Niakatra fitsarana androany avokoa ireo olona 7 voasambotra ary  efa nidoboka eny Antanimora avokoa. Tsy vitsy ireo milaza ho mahitahita lalana amin'ny fivarotana mercure saingy tsy maripototra izany. Hatramin'ny homamiadana no efa misy milaza ho mahavita menaka avy amin'ny bibilava hitsaboana azy izay amidin'ireo mpisoloky antapitrisany maro.

Commentaires

Articles les plus consultés