KAPA FINGOTRA



Fanadihadiana ara-tsosialy. Tsy misy asa ratsy, fa ny fanajana azy no mampisongadina ny asa iray. Ohatra amin’izany, ny fanamboarana kapa fingotra, efa maherin'ny 30 taona izao no nanaovan'ny fianakaviana iray io asa io. Tokatrano  maro eo no miara-misalahy amin'io asa io eny Anosibe. Ny fotoam-pâhavaratra no tena mampandeha ny tsenan'ny kapa fingotra. 



Foto-pivelomanan’ny tokatrano 20 eo ho eo, izay mpianakavy avokoa, ny fanamboaran kappa fingotra. Tsy voaresaka firy eto an-drenivohitra ity asa ity, antony, tsy ny tandrenivohitra no mpanjifa azy. Tsy ny mponin’Antananarivo no manjifa eto fa ireo avy any amin'ny faritra atsimo sy andrefan'ny Nosy no tena maka maro amin’izany. Mety mahalany hatrany amin'ny kapa 500 isa ny iray amin’ireto mpivarotra ireto rehefa tena mandeha ny tsena.



Mahatratra hatrany amin'ny 70 mahery any ireo olona mivelona amin'ity asa ity. Ary hatrany amin’ny dadabean’izy ireo no nanomboka ity asa ity, izany hoe taranaka faha-telo ireto manao kapa fingotra ireto. Misy ny rahalahy sy ny iray tampo amin’ireo fianakaviana mpanao kapa fingotra ireto no efa tafita ka miasa toy ny mpitsabo, miaramila, mpiasam-panjakana, ary ity asa ity no nampianaran’ny ray aman-drenin’izy ireo azy ireo. "Pneu" efa simba eny amin'ny garazy maro eny no ampiasain'izy ireto. Akora tsy dia sarotra tadiavina loatra eto amintsika.  Efa samy havanana amin'ny asany avokoa ny tsirairay eto. Mahavita kapa manodidina ny 20 isan'andro eo ny olona iray.

Asa mahavelona araka izany ny asa fingotra, rehefa fotoana tahaka izao, miandahy miambavy ny fanamborana ny kapa, mandeha ny tsena. Miantoka ny ecolage sy ny sakafo isan’andro ary ny hofa-trano izany, mahavita tsar any filàn’izy ireo isam-bolana. 1 500 ariary ny vidin'ny kapa ho an'ny ambongadiny ary mahatratra hatrany amin'ny 3 000 ariary izany ho an'ny atsinjarany. Misy ihany koa ireo mpanjifa no tonga dia manantona ety mampanamboatra araka izay tiany. 

Ity fianakaviana ity sisa no  mpanamboatra kiraro fingotra ety amin'ny manodidina. Ataony avokoa rehefa zavatra vita amin'ny "pneu nylon" toa izao. Isan'izany ny "silent bloc", ny "embout" ho an'ny seza vy, ny "potent" ho an'ny sarety sy ny maro hafa ihany koa. Tsy dia misy fifaninana loatra ity asa ity. Mampanamboatra fitaovana vita amin’ny fingotra sy ny pneu eto avokoa na orinasa tsotra na garazy hatramin’ny olon-tsotra manao ireny karazan adapataion samihafa amin’ny fitaovana ilaina amin’ny andavanandro ireny.

Commentaires

Articles les plus consultés